Asandratro ny anaranao ho ambonin'ny rehetra
Fa mamy ny fitiavanao tsy misy fe-petra
Natao sorona ny ainao nohomboina Ianao
Nijaly ianao, nisolo anay
Masina ny anaranao handovako ny lanitra
Mpanjakan'ny mpnaka ianao zanak'Andriamanitra
Azonao ny fandresena nitsangana Ianao
Ka afaka aho(deraina Ianao) mpandrandresy Ianao
Voninahitra anie, voninahitra anie
Voninahitra anie ho an'ilay zanak'odrin'Andriamanitra
Fiarovako ny anaranao valolampy fiereko
Tompon'ny fiainako Andriamanitra ekeko
Ny ranao nalatsakao tsy ho very indro tonga hery
Ka afaka aho , nadresy ianao
Ny fiainko rehetra atolotro Anao
Atokako hihirana ny fahasoavanao
Nateraka ho tiana Anao aho hihira ho Anao aho
Hi ho he , hankalaza Anao
Mamirampiratra ny fiandriananao
Mpanjakan'ny lanitra nahary izao tontolo izao
Mankalaza sy mitsaoka anao izahay
ry Ray
Fa famonjena Ianao